Teti-bola 2023 : Nolanian’ireo Solombavam-bahoaka tsy nasiam-panovana
Dépêche 28 novembre, 12h, Natolotra teo anivon’ny parlemantera ny teti-bola ho an’ny taona 2023 izay nohazavain’ny Minisitry ny Toekarena sy ny indostria. Araka ny fantatra dia nasiam-panitsiana avokoa na ny resaka fampianarana, na ny resaka varotra sy fanafarana entana, na ny resaka fitsaboana sy ny maro hafa. Mitentina 14 536 469 384 ar izany mandritra ny taona ary mitsinjara ho an’ny andrim-panjakana sy ministera miisa 36. Nolanian’ireo Solombavambahoaka miisa 93 amin’ny 2 izany ary tsy nasiam-panovana intsony rehefa noresahana nandritra ny ora 4 tao amin’ny trano fivorian’izy ireo.
