Dépêches

Fampiofanana : Miisa 130 ireo mpivarotra hanimasaka nisitraka izany hatreto

Dépêche 05 avril, 14h, Miisa 130 amin’izao fotoana ireo efa nisitraka ny fampiofanana izay karakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra miaraka amin’ny FHORM, INTH ary ny fampiofanana ara-teknika sy arak’asa ho an’ireo mpivarotra hanimasaka. Mahakasika ny fikirakirana sy ny fandrahoana sakafo ary ny vonjy taitra sy ny fisorohana amin’ny trangan’ny firehetana no hianarana amin’izany. Tsy miala amin’izany ihany koa ny fahadiovana sy ny fahaizana mitily ireo sakafo mety hiteraka aretina. Ny tanjona amin’izao hetsika izao dia mba hampiakatra ny lentan’ireo mpahandro sakafo sy hanatsara ny kalitaon’ny sakafo ho ara-pahasalamana hatrany. 

Laisser un commentaire