ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nosantarina tao an-toerana ny fiofanana omen’ny fikambanana Miotisoa

Tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy no nanombohan’ny fampiofanana maimaim-poana natolotry ny fikambanana Miotisoa, ny alatsinainy sy omaly talata 05 martsa teo. Ity fampiofanana ity izay atolotry ny fikambanana, indrindra ho an’ny vehivavy, hampianarana mahakasika ny fanaovana mofo mamy.

« Tonga maro tokoa ireo mponina ary betsaka ireo liana tamin’ny fiofanana kanefa manam-petra ihany ny fotoana ary voafetra ny afaka nandray anjara tamin’izany. Tsy mijanona hatreo anefa ny hetsika ataon’ny fikambanana fa mbola hitohy hatrany » hoy ireo tompon’andraikitra avy amin’ny fikambanana.

« Anisan’ny manampy betsaka ny vehivavy ny fahaizana azo avy amin’ny fiofanana tahaka izao. Ny fiainana ihany koa efa sarotra amin’izao ka tsy ahita fiofanana maimaim-poana izany mora intsony ka dia hisaorana ny mpikarakara satria nahazoana fahalalana izany » hoy i Mirana, mponina ao Ankadikely Ilafy.

Ampatsiahivina moa fa hisy manerana ireo kaominina ato anatin’ny distrika Avaradrano izao hetsika fanomezana fampiofanana maimaim-poana izao. Ny ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana indray no hitohizan’izany ny 06 sy 07 aprily izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire