Anjeva : Mampitaraina ny mponina ny tsy fandriam-pahalemana
Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana, amin’izao fotoana izao, ao amin’ny kaominina Anjeva gara. Omby iray no nisy nangalatra tao amin’ny fokotany Ankadiefajoro, tamin’ny faran’ny herinandro teo ary ny taolany sisa no hita taorian’ny fikarohana nataon’ny mponina, raha ny voalaza.
« Vantany vao very ny omby dia niroso tamin’ny fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona. Tena mampalahelo anefa fa efa taolan’ilay omby sy ny lohany sisa no hita » hoy i Haja, nanatri-maso ny zava-nisy.
« Trangam-piaraha-monina matetika niseho tato ho ato, ary endrika entin’ireo olon-dratsy manao ny asa ratsiny indray amin’izao fotoana ny fangalarana omby ka avela eo ny taolany. Efa nisy ihany ny fitarainana natao tamin’ny tomponandraikitra fa tsy mbola nisy fepetra noraisina aloha hatreto » hoy i Faly, mponina ao Anjeva.
Manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra mahefa ny mponina mba handray fepetra sy hijery eny ifotony ny mahakasika izao zava-misy izao. Marihina fa tao amin’ny fokontany Ambohimahatsinjo no nahitan’ny fokonolona ity fatin’omby ity.
Manitra R.
