Baolina kitra : Hiara-hiasa amin’ny FC Montluis ny Jet Kintana hampiroboroboana ny baolina kitra
Hiara-hiasa amin’ny FC Montluis ny Jet Kintana, ahafahana manatratra ny tanjona amin’ny fampiroboroboana ny baolina kitra Malagasy izay efa mitady harefo amin’izao fotoana izao. Maro ny endrika isehoan’izany fiaraha-miasa izany fa ny tena zava-dehibe dia hitondra tombontsoa betsaka ho an’ireo mpilalao mana-talenta Malagasy maro.
« Nanolo-tena ity klioba frantsay ity fa handray an-tanana tanora avy ao amin’ny Jet Kintana sy ireo tanora hafa izay tsikaritra fa mamiratra sy mahomby eny ambony kianja. Amin’ny alalan’io fiaraha-miasa io no ahafahan’ny mpilalao malagasy mahazo traikefa sy mijery lalana hanombohana asa any Europe », hoy ny avy ao amin’ny Jet Kintana tamin’ny fanazavana.
« Mila manofana mpilalao mendrika isika Malagasy noho izany satria ny fanararaotra toy izao tsy tokony homemena fotsiny fa tokony olona tena mendrika ny hiaro ny voninahi-pirenena no hahazo izany. Fanatanjahantena ity ka tokony hajaina ny fahaizana manaiky ny fahaizan’ny tsirairay ka hialana ny kolikoly », hoy i Ainga, mpankafy baolina kitra Malagasy.
Anisan’ny tanjon’i Jet Kintana ny fitadiavana klioba vahiny ho an’ireo mpilalao ao aminy. Ho an’ny FC Montlouis dia ny hiroso haingana amin’ny diviziona manaraka ary tafiditra ao anatin’io paikady io ny fahatongavan’ireo mpilalao malagasy. Samy mitady ny sao ho azy ny klioba roa tonta ka amin’izao fotoana izao dia i Rajo Razafindrabe (Berajo) kapitenin’ny Jet Kintana no efa nisitraka ity fiaraha-miasa ity amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny andrana ao anatin’io klioba io.
Miora Raharisolo
