ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mitohy ny fizarana ny vatsin’ankohonana

Hatramin’ny faran’ny herinandro teo, mbola nisy ny fizarana ny vatsin’ankohonana tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Nizotra am-pilaminana ny fizarana izany ho an’ny tao an-toerana, araka ny voalaza.

“Hisaorana hatrany ny fitondram-panjakana foibe sy ny FID amin’ny fitsinjovana sy fiahiana ireo sahirana ao anatin’izao tetikasa izay hizarana ny “vatsin’ankohonana izao”. Hisaorana ihany koa ireo tomponandraikitra isan-tsokajina eto amin’ny kaominina amin’ny fandaminana sy ny fizarana izany, ao anatin’izany ny zandarimariam-pirenena sy ny komity loharano ary ny fokontany” hoy ireo avy amin’ny kaominina.

“Zava-dehibe ho anay madinika tokoa ny fisitrahana ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana. Hisaorana azy ireo satria miahy ny ara-tsosialy ary manampy amin’ny fivelomana, indrindra amin’izao fotoan-tsarotra izao. iaraha-mahita ny fahasarotan’ny fiainana” hoy i Mbolatiana, mponina ao Anadikely Ilafy.

Raha tsiahivina, manodidina ny 4000 isa ireo mponina misitraka ny vatsin’ankohonana ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Misitraka izany avokoa ireo mponina ao anatin’ny fokontany 18 ao an-toerana.

Laisser un commentaire