Nihidy irery tao an-trano : tovolahy 15 taona maty kilan’ny afo
Kilan’ny afo tao an-trano ny tovolahy iray 15 taona, afakomaly tao amin’ny fokontany Avaratsena, kaominina Tsiroanomandidy. Nijanona irery tao amin’ny trano fonenany ity niharam-boina ary tsy afa-nitsangana sy nanavo-tena izy rehefa nisy ny loza, noho ny toe-pahasalamany.
