France: Ondry manodidina ny 350 no voamarina mitondra aretina mifindra amin’ny olombelona
Nahitana valan’aretina vokatry ny parazita “cryptospordiose” ireo loha-rano fisotron’ny olona tao amin’ny faritr’i Colle-sur-Loup, France. Na tsy ahatahorana ho zava-doza amin’ny fahasalamana aza izany, dia mety hiteraka fivalalana sy fandoavana, havizanana ary tazo ho an’ny mponina, araka ny fanazavan’ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana any an-toerana. Tao anatin’ny folo andro izao no nahitana ity trangan’aretina vokatry ny fisiana parasite amin’ny rano fisotro ity tanàna iray ity. Manoloana izany, nandrara ny fakana rano amin’ny rano mandeha sy loha-rano ny tomponandraikitra ka namatsy rano madio amin’ny tavoahangy isan’andro isan’andro. Raha ny fanazavana, parasite avy amin’ny andian’ondry ity miteraka aretina ity. Ondry miisa 350 no nahitana izany.
