SocialTsidika

27 Aprily 1961 – 27 Aprily 2021 : 60 Taona ny tafika an’habakabaka

Andraikitra lehibe no ankinin’ny vahoaka an’ireo miaramila amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena izao, indrindra amin’ny fiadiana ny valan’aretina Covid-19 sy ny fampandrosoana ny firenena. Feno 60 Taona omaly 27 aprily ny tafika an’habakabaka malagasy ary nankahery azy ireo amin’ny fanatontosana ny asa amin’ny an-tsakany sy an-davany ary tsy hikely soroka ho an’ny firenena nandritra izany ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard. Ny 27 aprily 1961 no nitsanganan’ny eskadrian’ny tafika an’habakabaka voalohany teto amin’ny firenena. Nanan-danja tokoa ity vondrona ity nandritra izay 60 Taona nijoroany izay. Ankehitriny, ao anatin’ny fanovan-drafitra tanteraka ny nosy, napetraka tamin’ny taona 2020 ny Etamazaoron’ny tafika an’habakabaka, nisy ihany koa ny fametrahana ny Base 213 etsy Arivonimamo. Nanome fanampiana feno eo amin’ny fampitaovana sy famerenana ny hasin’ny tafika ny avy ao amin’ny fitondram-panjakana ary tsy ho ela ny fametahana « Détachement Air » ao Antsohihy sy Ihosy. Nantsangana mba hamonjy ny mpiara-belona ny Tafika toy ny famonjena ny vahoaka tratran’ny ranobe, eo amin’ny sehatry ny ady amin’ny kere : mitatitra ireo fitaovana entina hamonjena ny havantsika any Atsimo. Eo ihany koa ny sehatry ny tsy fandrimpahalemana ka manara-dia ireo dahalo. Ny finiavana hanompo ny tanindrazana ary hanaraka ny rariny sy ny hitsiny hatrany no tena ilain’ny firenena. Hiasa ho an’i Madagasikara izay tsy iza fa antsika ihany ary isika ihany no hisitraka ireo asa nataontsika ho an’ny firenentsika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire