Avaradrano : Ilaina ny tagnamaro amin’ny fandriam-pahalemana
Manomboka mahazo vahana eto Avaradrano ny tranga tsy fandriam-pahalemana. Izany indrindra no tena tokony hampanjakana ny firaisan-kina amin’ny fiarovana ny tanàna.
« Mila mailo hatrany isika mponina, indrindra iny manomboka amin’ny 4 ora hariva iny. Ilaina ny fisian’ny tagnamaro ho an’ny fandriam-pahalemana. Mila hetsehina avokoa ireo rantsana momba izany na ny vatan-dehilahy aza » hoy i Rado, mponina ao Ambohimangakely. « Tsy matahotra intsony ny mpangalatra amin’izao. Na ny Zandary aza dia tafihany izao teny Ambohimarina. Ny olona miasa, izy mandroba » hoy i Lanto, mponin ao Ambohimangakely. Zava-dehibe ny fiaraha-mientana ho an’ny fandriam-pahalemana. Mila hazaina sy samborina ary faizina ny mpanao ratsy mba hisian’ny filaminana.
