ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Mitohy ny ezaka fanalana ny fako ao amin’ny kaominina

Mitohy hatrany ny ezaka fanalana ireo fako, ataon’ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ireo ekipa misahana izany ao an-toerana. Ny faran’ny herinandro teo, niroso tamin’ny fanalana ireo fako teny amin’ireo tena nahita be izany ireo tomponandraikitra.

 « Manao ezaka hatrany ireo ekipa mpanadio sy mpanala ny fako eto amin’ny kaominina amin’ny fanalana ireo fako eny amin’ireo toerana voatokana ho amin’izany. Hisaorana ireo mpiara-miasa rehetra ihany koa amin’ny fifanomezan-tanana sy fanomezana fiara lehibe ahafahana manatanteraka izany » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

 « Raha ny resaka fako dia maro ireo toerana ahitana izany eto Ankadikely. Ny tena olana mahatonga azy ireo mitoby sy mivangogo ohatran’io dia ny tsy fanalana izany ara-potoana. Misy toerana tena efa mila hanentsina ny arabe ary tsy hisy andehanana intsony. Izany anefa dia sady manome endrika ratsy ny tanàna » hoy i Haja, mponina ao Ankadikely Ilafy.

Tsy mitsahatra ny mitady vahaolana ho famahana ny olan’ny fako sy ny fitandroana ny fahadiovana ny mpitantana ny tanàna ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Ao anatin’izany, dia mitohy hatrany koa ny fanentanana ny mponina, ny isan-tokatrano amin’ny fanajana ny toerana fanariana fako.

Laisser un commentaire