PolitiqueTatitra

Comores : Niteraka ady tany an-toerana ny fahalanian’ny filoham-pirenena indray

Olona iray no maty ary enina hafa naratra nandritra ny fifandonana tamin’ny polisy taorian’ny fanambarana ny valim-pifidianana filoham-pirenena tao Comores, ny alahady 14 janoary lasa teo. Tsy manaiky ny valim-pifidianana ireo mponina any an-toerana, ity farany izay nahalany fanindroany an’i Azali Assoumani, indray, tamin’ny fihodinana voalohany. Ity filoham-pirenena ity izay lany nandritra ny fifidianana natao tany an-toerana, izay tsy nandraisan’ny rehetra anjara. Nahazo vato 62,97% izy, kanefa 16,30% ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy.  Mitaky ny hanafoanana ny fifidianana ny mpanohitra manoloana izany ; ary miampanga ny “fisolokiana goavana” sy ny “famenoana vato” nandritra ny fanatanterahana izany fifidianana izany. Vokany, nidina an-dalambe ireo mponina ary nandoro ireo trano avo sy departemanta samihafa.

Laisser un commentaire