Maldives : Niakatra ny tahan’ny mpitsidika ny nosy
Nahatratra 505 000 isa ny mpitsidika ny nosy Maldives hatramin’ny 27 martsa teo. Efa manakaiky ny isan’ny mponina ao an-toerana izany antontan’isa izany. Tao anatin’ny telovolana monja nanomboka ny volana janoary teo dia efa maherin’ny 500 000 izany isa izany ary isa ambony indrindra tao anatin’io fe-potoana io teo amin’ny tantaran’ny nosy izany.
Heverina fa mety ho tratran’ny nosy Maldives ny tanjona napetrany ho amin’ity taona 2023 izay hisarika mpitsidika 1,8 tapitrisa ho ao an-toerana. Marihana fa i Maldives dia tsy toeram-pizahan-tany faobe, mifanohitra amin’izany indrindra aza, ireo olona mana-katao ihany no tena mpanjifa kendreny.
Ny mponin’i Russie kosa no tena maro an’isa mitsidika ny nosy, manaraka azy ireo ireo avy ao Europe ary efa mitombo an’isa ihany koa ireo avy ao Chine. Niheno kosa ireo mponin’i Etats-Unis izay manarakarana an’i Chine.
