Fanalan-jaza: Maro ny antony mahatonga izany eto Madagasikara
Dépêche 03 avril, 13h, Maro isan-karazany ny mahatonga ny olona manala zaza. Samy manana ny antony ny tsirairay mahatonga azy ireo amin’izany fihetsika izay mifanohitra amin’ny maha-olona izany. Araka ny antontan’isa izay navoakan’ny Nifin’akanga taorian’ny fanadihadiana izay nataony dia ny vohoka aloha loatra (23,21%), ary ny fitondrana vohoka tsy niriana (20.29%). Ny valiny hafa antony faharoa dia misy antony lehibe telo, anisan’izany ny fanolanana (15,36%), ny firaisana ara-nofo amin’ny olom-pady (6,54%) ary ny antony ara-pitsaboana sy/na fitsaboana (78,1%). Samy manana ny antony ny tsirairay kanefa misy ihany koa ireo vahaolana afaka arahina raha tonga amin’izany fitondrana vohoka izany.
