Dépêches

Rivodoza BATSIRAI :

07 Febroary, 10h40. Tsy misy ahatahorana intsony ny rivodoza Nivoaka an-dranomasina omaly tamin’ny 07 ora hariva, tao amin’ny 25 Km Avaratr’i Toliara I ilay rivodoza BATSIRAI. Nikisaka niakandrefana somary atsimo andrefana izy ka nahafaka 28 Km/ora. Efa tsy misy ahatahorana intsony izy saingy mbola hamela rotsak’orana. Mbola ao anaty faritra miloko manga kosa i Vatomandry, Mahanoro, Antanambao Manampotsy, Marolambo, Morondava, Mahabo, Manja, faritra Vatovavy Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Vakinankaratra, Amoron’i mania, Matsiatra ambony, Ihorombe, Atsimo Andrefana, Anosy, Androy. Raha ny momba ilay rivodoza Cliff kosa dia tsy ahatahorana ary tsy hisy fiantraikany eto Madagasikara. Ratsy ny tontolo nivoarany ka tombanana ho levona izy io.

Laisser un commentaire