Mozika: Hizara ny lalany hatramin’izay ka hatramin’izao I Ludy Soa sy Nathan ao amin’ny CCESCA
Dépêche 10 mai, 14h, Ludy Soa sy Nathan, les Soa, mpanakanto Malagasy lehibe tany ivelany. Ny fifaninanana “the Voice France 2020” no tena nahalalan’ny maro azy ireo. Hanatanteeraka seho mivaka eto LMadagasikara izy ireo ny 20 mai izao ao amin’ny CCESCA. Hozarain’izy ireo amin’izany ny lalana rehetra izay nizoran’izy ireo hatramin’izay ka hatramin’izao nivoahan’ny “album” voalohany izao. Hikalo hira amin’ny teny Malagasy, frantsay ary anglisy izy ireo mandritra io seho haharitra adiny roa io. Hiaona mivantana amin’ireo mpankafy ihany koa izy ireo ny 13 mai izao ao amin’ny La City Ivandry. Manana vina ny hanatanteraka seho any Mahajanga ihany koa izy ireo, Mahajanga izay toerana niaviany ka azo lazaina ho fiverenana sy fahatsiarovana ny fototra niaingana ihany koa izany.
