Seychelles : Efa azo tsidihana ilay tranom-bakoka natokana ho an’ny voanio
Efa voatokana ilay tranom-bakoka vaovao natokana ho an’ny voanio ao Seychelles. Ao amin’ny nosy Mahé no ahitana io toerana miavaka io izay manome lanja ny voanio amin’ny endriny rehetra miaingana any amin’ny ara-tsakafo, « cosmétique », asa tanana ary hatrany amin’ny toerana ahitana azy.
« Mizé koko » no hiantsoan’ny mponina ao an-toerana io tranom-bakoka io. Vita amin’ny hazo sy « palme » tanteraka izany ary ahitana ny fomba efa ho an’arivony afaka ampiasana ny voanio toy ny fomba famokarana rano, menaka ary ronono ; haingo sy ravaka ary fanaka…
Marihana manan-danja tanteraka ho an’i Seychelles ny voanio ary isany ireo tena mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’io zava-maniry io isaky ny 2 septambra izy ireo.
