ActualitésTsidika

Fahasalamana : Miseho amin’ny alalan’ny gripa ny fanombohan’ny covid-19

Manomboka amin’ny gripa ny fisehon’ny tsimok’aretina coronavirus. Izany no nambara nandritra ny filan-kevitry ny Ministra ny 5 janoary teo. « Efa nisy ny fanaraha-maso natao tamin’ireo marary maro. Mampiseho trangan’ny aretina amin’ny endriny samihafa izy ireo » hoy ny tompon’andraiki-pahasalamana.

« Mila mitandrina sy mitsabo haingana ny gripa izay tratran’ny gripa. Ny fahatarana amin’ny fitsaboana no mety hampihena haingana ny hery fiarovana. Izany no mitarika mankany amin’ny coronavirus » hoy ny filan-kevitry ny Ministra. « Efa saika ny olona rehetra mihitsy no tratran’ny gripa amin’izao fotoana izao. Na aiza na aiza aleha, toa mikohaka sy voan’ny sery daholo ny olona » hoy i Fanja, mpivarotra eny Analakely. Efa mahazo ny olon-dehibe sy ny zaza ity aretina ity ankehitriny. Izany rahateo no tena antony nanemorana ny fidiran’ny mpianatra ho amin’ny 17 janoary indray.

Mila mitandrina ny rehetra fa efa tena miparitaka ny aretina. Lahitokana ny aina, ary tsy hananam-piry. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire