Ambohimanambola : Fitaovana fitsinjarana rano no very ao Ambohimahatsinjo
Sahirana amin’ny fitsinjarana rano madio ho an’ny mponina ny kaominina Ambohimanambola amin’izao. Fitaovana maro ho entina hanatanterahana iznay manko no very nisy nangalatra tao Ambohimahatsinjo.
« Betsaka ireo fitaovana miasa amin’ny fampiakarana sy fitsinjarana ny rano no very tao amin’ny fokontany Ambohimahatsinjo. Tao anatin’ny volana maromaro izao no tsikaritra izany » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Ambohimanambola. « Hisy ny fiatoana amin’ny fisitrahana rano madio ho an’ny mponina eto Ambohimanambola. Na izany aza anefa efa manao ny ezaka rehetra hiverenan’izany izany izahay sy ny kaominina » hoy ny avy ao amin’ny sampan-draharaha misahana ny rano ao amin’ny kaominina Ambohimanambola.
Mila arovana ny fananana iombonana izay andraisan’ny vahoaka rehetra anjara mihitsy izany. Eo lalandava ny tompon’andraikitra hifanampy amintsika mponina amin’ny fampandriana ny fahalemana.
