France : Mpihaza iray hita faty teo akaikin’ny fiarany tao Lot-et-Garonne
Lehilahy iray mpihaza manodidina ny 63 taona teo no hita faty teo akaikin’ny fiarany ny 23 oktobra teo. Tao amin’ny kaominin’i Saint-Pierre-de-Buzet no niseho ny tranga, maty voatifitra io lehilahy io ary ny namany mpiara-mihaza aminy no nahita ny razany.
Mandra-piandry ny fitsirihana ny razana dia heverin’io zandary fa namono tena io lehilahy lehibe io.
