SocialTatitra

Turquie: Olona folo no maty, efapolo no naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana

Olona folo no namoy ny ainy, efapolo hafa no naratra mafy, ny sivy amin’izy ireo ahiana mafy ny ainy vokatry ny fifandonan’ny fiara fitetram-bahoaka sy kamiao lehibe iray tao Diyarbakir, Turquie, ny alahady teo. Fiara fitateram-bahoaka mampitohy an’i Diyarbakir, any atsimon’i Turquie amin’i Istambul ity tra-doza ity ka niteraka fahafatesana sy faharatrana ireo mpandeha. Nifandona tamin’ny kamiao lehibe iray sy fiara kely tsotra roa izy nandritra izany.

Laisser un commentaire