Mexique : Kandidà iray nanao ny fampielezan-keviny avy ao anaty vata-paty
Kandidà iray amin’ny fifidianana parlemanta ao Mexique no nanapa-kevitra nanao ny fampielezan-keviny sady natory tao anatina vata-paty. Fiaraha-miory amin’ireo olona manana havana, namana nindaosin’ny fahafatesana vokatry ny valanaretina coronavirus hoy izy no nandraisany io fanapahan-kevitra io. Miombon’alahelo amin’ireo mponina ao amin’ny firenen’i Chihuahua (avaratra) andriamatoa Carlos Mayorga. Tia hampita hafatra manoloana ny vokatry ny tsy firarahian’ny fanjakana ny mponina izy raha ny fanazavany ny talata lasa teo. Tafakatra 200 000 ireo matin’ny covid-19 ao Mexique, firenena fahatelo manana taha ambony indrindra izy amin’izao fotoana izao. Tsy nisy anefa na teny kely aza avy amin’ireo mpitondra ambony ao amin’ny firenena nanoloana io fiakaran’ny taha io. Izay indrindra no nanosika an’andriamatoa Mayorga nanao io fihetsiny io.
