Chine : Disadisa mikasika ny ranomasina atsimo, mampitandrina an’i Pékin i Washington
Nampitandrina an’i Chine i Etazonia ny alarobia 07 aprily manoloana ny fihetsik’i Phillippines sy i Taïwan izay miha mahery hatrany. Naverin’ny amerikana tamin’i Pékin ihany koa fa manana adidy aman’andraikitra manoloana ireo mpiara-miasa aziatika aminy i Washington. Sambo sinoa manodidina ny 220 no tazan’ireo mpiandry ny sisi-tany ao Phillippines ny alarobia lasa teo, sahabo ho 320 kilometatra atsimon’ny nosin’i Palawan, Phillippines. Raha tsiahivina, tian’i Chine ho azy avokoa ny ranomasina atsimo io ary mandà ny hanala ireo sambony izy hatramin’ny herinandro lasa teo. Manamafy kosa anefa i Manille fa niditra tsy ara-dalàna tamin’ny toerana hiadidian’izy ireo ireto sambon’i Chine ireo. Izay no nahavelona ny disadisa teo amin’ny roa tonta. Tsy izay ihany anefa fa mitaraina ihany koa i Pékin manoloana ny fidirana fiaramanidina sinoa miisa 15 tamin’ny faritra harovan’i Taïwan. Nanome toky ny filoham-pirenena Joe Biden etsy ankilan’izay fa hiaro tanteraka ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Etazonia izy ireo.
