SocialTatitra

Israël : Mihitsoka noho ny ady ny tontolon’ny fizahan-tany

Taorian’ny fahavoazana noho ny valan’aretina corona virus, izay namely sehatr’asa maro manerana izao tontolo izao, dia mampihitsoka ny lafin’ny fizahan-tany any Israël ihany koa ny ady misy any an-toerana ankehitriny. Tsy misy na inona na inona, foana, tsy misy mitsidika intsony ireo toerana malaza ahafantarana sy mampalaza an’i Israël eran’izao tontolo izao, toy ny basilika an’i Nazareta, trano fisakafoanana, ny toeram-pivarotana sy mana-tantara, kanefa sehatr’asa fiveloman’ny mponina maro amin’ny alalan’ny fivahinianana masina sy fitsidihana ataon’ny mpizahatany any an-toerana. Nanomboka ny volana oktobra 2023 ity krizy eo amin’ny sehatry ny fizahan-tany ity. Amin’ny ankapobeny, ny 3% amin’ny harin-karena Israelianina dia avy amin’ny sehatry ny fizahan-tany, ary mampiasa olona hatramin’ny 200.000 any an-toerana ity sehatra ity.

Laisser un commentaire