PolitiqueTatitra

France : Nanampanatena ny famerenana ny fifampitokisana i Emmanuel Macron sy Joe Biden

Nampihena ny fifampitokisana teo amin’i France sy Etats-Unis ny krizy an-dranomasina (sous-marins) niseho teo amin’ny firenena roa tonta. Nanapa-kevitra ny hamerina io fifampitokisana io kosa ny filoha Emmanuel Macron sy Joe Biden nandritra ny antso nifanaovan’izy ireo ny 22 septambra teo. Mbola hisy fifampidiana lalina ataon’izy ireo raha ny fanazavana izay handraisana ireo fepetra hifanomezan-toky amin’io fifampitokisana io sy ireo fepetra hanatrarana ireo tanjona iombonana. Hifampiresahana mandritra ny fivorian’ny G20 ao Italie amin’io volana ambony io ihany koa ity krizy ity.

Laisser un commentaire