ActualitésTatitra

Brésil : Nanome toky i Jair Bolsonaro fa tapitra ny fitrandrahana tsy ara-dalàna

Isan’ireo mitarika ny fahapotehan’ny tontolo iainan’ny alan’i Amazonie ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany izay mahatratra hatramin’ny 30% isan-taona hoy ny fikambanana anomani. Nanome toky ny mponina Yanomani araka izany ny filoha, Jair Bolsonaro omaly fa tapitra hatreo ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany any amin’ny faritr’izy ireo. « Raha tsy ilainareo ny fitrandrahana ankobon’ny tany dia tsy hisy izany » hoy hatrany ity filoha ity nandritra ny fihaonany tamin’ny solontenan’ny vondrona Yanomani. Efa nanomboka ny taona 2020 no nanaitra ny tompon’andraikitra ny Yanomani mikasika ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ao amin’ny taniny izay mirfy 96 000 km2 sy mponina miisa 27 000 eo ho eo. Ary isan’ny manimba ny tontolo iainan’izy ireo ny fisian’izany no mitrandraka izay hany hareny hoy ny mponina any an-toerana.

Laisser un commentaire