France : Dominic Thiem, « premier tour » dia vita.
Mpilalao fahaefatra manerantany amin’ny ATP i Dominic Thiem. Tamin’ny fihodinana voalohany tamin’ny lalao Tennis « Roland Garros » omaly anefa, tsy nahovoka izy raha nifanehitra tamin’i Pablo Andujar, mpilalao faha-68 manerantany amin’ny ATP. 4-6, 5-7, 6-3, 6-4, 6-4 tao anatin’ny adiny efatra sy sasany no nandresen’i Pablo Andujar an’i Dominic Thiem. Androany kosa no hiakatra antsehatra i Daniil Medvedev, hifanandrina amin’i Alexander Bublik ; sy i Roger Federer, hihaona amin’i Deni Istomin.
