Maurice : Miverina amin’ny fihibohana indray
Andro faharoa sahady amin’ny fihibohana ny ao Maurice. Ny zoma 05 Martsa lasa teo mantsy no nahafantarana fa misy tranga miisa 33 indray any an-toerana. Tsy azon’ny latsaky ny 18 taona hatao ny miditra any amin’ny tsenam-barotra lehibe, ny fivarotana fitaovana ny tobin-tsolika ary ny banky. Ny didim-panjakana ao Maurice no mamaritra fa olona iray isaky ny trano ihany no mahazo mivoaka, ary manana 30 minitra farafahakeliny hividianana ireo zavatra ilaina. Tokony hanaja ireo torolalàna mipetraka ihany koa hoy ny fanjakana ny mponina ary hanaja ny elanelana napetraka. Mandritran’ny 10 andro moa no hanatanterahana izany. Manara-maso, isaky ny tranom-barotra lehibe ny fizotran’izany ny polisy sy ny manam-pahefana any an-toerana.
