Tatitra

Chine : Hanao pasipaoro nomerika ho an’ny fahasalamana.

Nilaza ny mpitondra fanjakana ao chine fa hanao pasipaoro niomerika ho an’ny olom-pireneny ny alatsinaiany 8 martsa lasa teo tao Pekin. Tanjona ny hahafahan’ny olom-pirenena tsirairay manaporofo ny toe-pahasalamany rehefa mandeha mankany na avy any ivelan’ny toerana misy azy izy ireo. Azon’ny firenena mpandray teratany sinoa hatao atsy ho atsy ny manokatra ny sisintaniny ho an’ireo teratany sinoa rehefa avy manamarina ny fahasalamany izy ireo. Mikasa ny haneho rafitra mitovy amin’izany ny vaomera eropeanina amin’ity volana martsa ity. Ny minisitry ny raharaham-bahiny sinoa Wang Yi no nilaza fa ny tanjon’io taratasy fanamarinana io ny fanatanterahana ny fizahana ny mombamomban’ny olona iray sy ny fanaovana vaksiny nataony, ary hanomezana anjara biriky amin’ny fifandraisan’ny olona mba ho azo antoka sy milamina ny teratany sinoa any amin’ny firenena hafa.

Laisser un commentaire