ActualitésTatitra

Comores : Hisy ny fitrandrahana ny rano lalin’ny nosy ho an’ny fikarohana momba fanafody homamiadana

Orinasa mpamokatra fanafody avy ao Espagne ny Pharmamar. Manam-pahaizana manokana momba ny fitrandrahana ny any anaty ranomasina (fond-marin) izy ireo hamokarana fanafody miady amin’ny homamiadana. Efa manokatra fanafody nahazo ny fahankatoavana iraisam-pirenena io orinasa io tamin’ny alalan’ny famokarany ny fanafody miady amin’ny homamiadan’ny « ovaire » tamin’ny alalan’ny « mollusque » any an-dranomasina.

Efa nanao fikarohana tao amin’ny rano lalin’i Kenya, Tanzanie ary Mozambique io orinasa io. Efa nahazo fahazoan-dalana hikaroka ao amin’ny ranomasin’i Comores ihany koa izy ireo ka hanomboka ny asa fikarohany. Marihana fa amin’izao fotoana dia mitrandraka fanamboarana fanafody ho an’ny homamiadan’ny avokavoka sy ny tsokan-damosina io orinasa io.

Laisser un commentaire