Nosy Be : Marijuana milanja 9 kilao tratra teo amin’ny fadin-tseranana
Dépêche 15 février, 12h, Nahatratra rongony milanga 9 kilao tamin’ny mpandeha iray ny adin-tseranana ao Nosy Be. Ny marimarina kokoa dia « marijuana » milanja 9.174 kilao izany tratra izany ary tao anatin’ny entan’ny mpandeha tanzanianina iray no nahatrarana izany. Nogiazana ilay rongony ary notazomina natao famotorana kosa ilay olona izay tratra nitondra izany.
