Dépêches

Fandraharahana ny fonja : Nametrahana paik’ady vaovao hanatsarana izany

Dépêche 24 avril, 11h, Nitsidika ny fonjan’Antanimora ny Minisitry ny Fitsarana ny faran’ny herinandro teo, nikaroka vahaolana ahafahana manatsarana ny raharaha anatiny ao. Afaka nitafa tamin’ireo voafonja niisa 4 600 ity minisitra ity, izay nihaino ny antony hijanonany ao sy ny raharaham-pitsarana efa vita. Araka izany dia nisy ny lesoka ho arenina ka mila mametraka paik’ady vaovao ny sampan-draharaha rehetra miandraikitra izany. Ny tanjona lehibe indrindra amin’izany dia ny ady amin’ny kolikoly sy ny hamerenana ny fahatokisan’ny vahoaka ny fitantanana ny raharahan’ny fonja.

Laisser un commentaire