ActualitésTatitra

Europe : Voarara ny manafatra vokatra samihafa avy amin’ny fandripahan’ala

Manoloana ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy fitsinjovana ny zava-boahary dia nanapa-kevitra ny parlemanta ao Europe fa tsy azo atao intsony ny manafatra vokatra samihafa raha avy amin’ny fandripahana ala izany. Tafiditra ao anatin’izany ny kakaô, kafe, menaka avy amin’ny palme, soja, hazo, fingotra, harina fandrehitra, taratasy ary vokatra avy amin’ny biby fiompy. Marihana nefa fa ireo vokatra avy amin’ny toerana ripak’ala taorian’ny volana desambra 2020 ihany voakasik’izany fepetra izany.

Nahazo vato maro kosa io fanampahan-kevitra io nandritra ny latsa-bato ary nankato izany indrindra ny solombavam-bahoaka ao amin’ny Union Européenne, Pascal Canfin. Isany lalàna voalohany eran-tany mety hanatsahatra ny « déforestation importee » izany raha ny fanazavany. Nanamafy izy fa maneho ny fahavononan’i Europe hiady amin’ny fandripahan’ala i fepetra vaovao io, voasokajy amin’ny firaisana tsikombakomba amin’ny firenena hafa mandrapak’ala mantsy hoy izy fanafarana vokatra azo avy amin’izany.

Laisser un commentaire