ActualitésTsidika

Alasora : Hanatanteraka ny fandoavana hetra-trano ny fokontany Ambohimarina

Anjaran’ny fokontany Ambohimarina, Alasora, izao no hanatanterahan’ny kaominina ny fandehanana ifotony amin’ny fandoavana ny hetra-trano. Anio alatsinainy 24 aprily sy rahampitso talata 25 aprily izao no fotoana hanefan’ny mponina izany eny amin’ny biraom-pokontany, raha ny voalaza.

« Ho avy eny amin’ny biraon’ny fokontany ny kaominina hanatanteraka izay hetsika izay ka manentana ny mponina hanefa izany satria ny fandoavana hetra no antoky ny fampandrosoana ny tanàna » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Zava-dehibe no antony hanefana ny hetra. Io no ahafahan’ny kaominina manao foto-drafitr’asa na ezaka fanatsarana ny tanàna, ary tamberin’andraikitra tokony hataon’ny kaominina izany rehefa mandray hetra izy. Ny fampahafantarana sy ny fanentanana no tokony hamafisina » hoy i Ando, mpianatra ho économiste

Anisan’ny olana lehibe ary mahatonga hevi-draikitra amin’ny mponina ny mahakasika ny hetra. Misy ireo tsy mbola mahafantatra ny antony handoavana izany ary tsy ampy ny fanentanana mampahalala izany, izay sakana ho an’ny fampandrosoana.

Manitra R.

Laisser un commentaire