Egypte : Tany nipoiran’ny famorana
Takela-bato iray no naneho pretra iray nanao fombafomba famorana tamin’ny zazalahy tao Egypte. Ao amin’ny Mastaba d’Ankhmahor (fasana) ao Saqqara no ahitana io takela-bato io. Efa tamin’ny « dynastie » (-2325-2155 : fanjakana taloha) no nisy izany raha ny fantatra.
Nanomboka foana izany rehefa niditra tamin’ny fanjakana vaovao (nouvel empire). Tsy fantatra mazava kosa ny antony nanaovana azy tamin’ny fanjakana taloha (ancien empire) saingy ireo milaza fa ho an’ny fahadiovana no nanaovana ny famorana. Anisany niombon-kevitra tamin’izany i Hérodote. Misy kosa ireo mamaritra fa fomba hamanarihana ny fidiran’ny zaza amin’ny fahalebiazana izany.
