SocialTatitra

Etats-Unis : Olona telo no tafavoaka velona taorian’ny fianjerana Montgolfière

Montgolfière iray no nianjera tao amin’ny lalambe migodana (autoroute) tao Rochester, Etats-Unis ; izay voarakitra an-tsary tamin’ny caméra an’ny departemanta an’ny fitaterana ao Minnesota. Raha nikasa ny hampiantsona ity montgolfière ity ny mpitondra azy no nentin’ny tsio-drivotra mafy ity baolina feno rivotra ity ka nikasoka tamin’ny tariby mitondra herinaratra,izay amin’ny sisin-dalana, araka ny nambaran’ny polisy ao an-toerana. Ilay horonan-tsary ihany koa dia naneho ilay fifampikasohana izay niteraka pitik’afo. Nisaraka roa araka izany ity montgolfière ity, ka nitontona tamin’ny tany ny nisy ny fitoeran’ireo olona nandeha taminy, lasan’ny rivotra kosa ilay tapany ambony. Olona telo no nandeha tamin’ity montgolfière ity, ny mpamily azy sy ny olona roa nentiny. Avotra soa aman-tsara izy ireo saingy naratra kosa ireo mpandeha roa.

Laisser un commentaire