SportTsidika

Academy Akamasoa : Hikarakara lalao baolina kitra ho an’ny 14 taona hatramin’ny 16 taona

Hotontosaina amin’ny alahady ny lalao voalohany karakarain’ny Academy Akamasoa. Betsaka ireo ekipa handray anjara amin’ity toy ny avy ao amin’ny Akademia Buffalo.

« Tsy manakana ny lalao U15 ity lalao ity. Mifameno indrindra aza izany. Mahasoa ny ankizy rahateo ny fampandraisana anjara toy izany » hoy ny avy ao amin’ny Akademia Football Buffalo. Ny Ekipa rehetra manana mpilalao teraka tamin’ny 2006, 2007, 2008 dia afaka mandray anjara avokoa. Misy ny taratasy ilaina avy amin’ny mpandray anjara rehetra, eo ihany koa ny saram-pandraisana anjara. Miroborobo hatrany ny tontolon’ny baolina kitra eto Avaradrano.

Dieny mbola kely ihany koa ny ankizy dia tsara raha ampidirina anaty sekoly mampianatra ny fanatanjahan-tena, ahafahany mampandroso ny tenany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire