SportTatitra

Japon : Tsy azo atrehina ny fitondrana ny fanilon’ny lalao olympika

Nanambara ny mpikarakara ny lalao Olympika izay hatao any Tokyo fa tsy azo hatrehina ny fitondrana fanilo ao Okinawa, atsimo andrefan’ny Japon, nohon’ny fangatahanan’ny mpitantana any an-toerana manoloana ny Covid-19. Fanintelona nisy fihovana ity fitondrana ny fanilon’ny lalao olympika ao japon io nanomboka tamin’ny fihaingany ny 25 martsa lasa teo. Mba hisorohana ny fitangoronana eny amin’ny lalam-bahoaka no anton’io fanapahan-kevitra io, nisy ihany koa ireo fepetra hafa nolazain’ireo mpitantana ny faritra handalovan’ny fanilo olympika ireo. Ny fiandohan’ny volana Mey ho avy izao no handalo ao Okinawa, ary hotontosaiana eo amin’ny lalambe saingy tsy asiana mpanatrika. Nosy kely sy vitsy mponina anefa io toerana saingy nanapa-kevitra ny tsy hamory olona kosa ny mpitantana ao an-toerana. Marihana fa ny efa tafiditra ao anatin’ny andiany fahaefatra amin’ny valan’aretina coronavirus ankehitriny.

Laisser un commentaire