ActualitésTatitra

Etats-Unis : Lehilahy iray no nianjera tany anaty hantsana eo am-panodinana horonantsary TikTok

Lehilahy iray avy ao Indiana antsoina hoe Edgar Garay, 27 taona no nianjera teo amin’ny hantsana Cabo Rojo, tao Puerto Rico nandritra ny fialan-tsasany tao an-toerana. Teo am-panodinana horonantsary TikTok io lehilahy io no niseho ny loza ny faraparan’ny volana janoary teo. Nianjera avy eny amin’ny havoana roapolo metatra teo io lehilahy io raha ny tatitry ny mpiampy ny sisin-tany tao an-toerana.

Ireo « plongeurs » avy amin’ny Puerto Rico Emergency Bureau kosa no nahita ny razan’io lehilahy io tao anaty lava-bato tao ambanin’ny hantsana nianjerany. Nitondra teny fampionona ny fianakaviana ny kapiteny ny mpiambina ny sisin-tany tao Cabo, Rojo José E. Diaz manoloana io tranga io. Nankasitraka ny fahombiazan’ny fiasan’ireo mpamonjy voina ihany koa izy.

Raha ny fantatra kosa dia niaraka ny fianakaviany i Edgar Garay nandritra ny fotoana nisehoan’io loza io.

Laisser un commentaire