Dépêches

Fotodrafitr’asa : Entanina hiaro ny fananana iombonana ireo mpanahy vary amin’ny lalana eny Ambohitrimanjaka

Dépêche 03 février, 13h, Tao anatin’ny andro maromaro izay dia hita fa ampiasain’ny olona hanahazana vary iny lalam-baovao eny amin’ny Art Malagasy Ambohitrimanjaka iny. Nidina ifotony nijery sy nanentana teny an-toeranaa ny avy ao amin’ny Ministeran’ny asa vaventy. Nivoitra tamin’izany ny tokony hanajana ny fananana iombonana sy ny fiarovana ny fotodrafitr’asa ka hanala izany vary miahy izany. Efa misy ihany koa ny fanambarana mahakasika izany izay milaza fa voarara ny fampiasana ny lalana ankoatra ny fifamezivezen’ny olona sy ny fitaovam-pitaterana. Mety hiteraka fahasimbana vetivety sy lozam-pifamoivoizana ihany koa ny toe-javatra toy izany.

Laisser un commentaire