Alasora: Hampiaina mivantana ny lalao fiadiana ny toerana fahatelo
Handefa mivantana ny lalao baolina kitra, fiadiana ny toerana faha telo amin’ny CHAN ny kaominina Alasora, rahariva. Ao amin’ny kianja maitso sy Ankadindratombo no handefasana ny ecran géant mandritra izany.
Anisan’ny handefa ity fampitana mivantana ity ihany koa ny kaominina Ambohimangakely, izay atao eo an-tokontanin’ny kaominina.
Manitra R.
