Mitokona ny mpiasan’ny Easy Park
Nitokona tetsy Analakely ireo mpiasan’ny orinasa Easy Park, mpandrindra fiantsonam-piara teto Antananarivo teo aloha noho ny tsy fahazoan’izy ireo ny ambi-karama
Raha efa tsy re firy intsony ny orinasa Easy Park nandritra ny fotoana maro, izao miseho indray izao izy ireo ary mitaky ny zony manoloana ny filazana fahataperan’ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’izy ireo. Saram-piatona na « congé » fotsiny no nomena ireo mpiasa raha ny filazan’ireo mpitondra teny.
Rehefa nanontaniana ny heviny amin’izao tranga izao ny mponin’Antananarivo, dia somary nitovitovy daholo ny filazan’izy ireo, toy ity nolazain i Bary ity : « Betsaka loatra ireo niharan’ny tsindry hazo lena nataon’ireo mpiasa tao amin’ny Easy Park ireo tamin’izy ireo mbola niasa : sady nangalatra izy ireo no nanararao-pahefana tamin’ireo tompona fiara mametraka fiara eny amin’ny parking. Aleo aloha izy ireo hizaka ny vokatry ny natao mba ahatsapany tsara fa marary be ilay very vola amin’ny tsy fahamarinana ».
« Aleo mihitsy faranana amin’izay ity resaka parking ity fa mambotry vahoaka. Efa maro loatra ny fitarainana ny amin’ny ataon’ireo mpiasa ireo. Aleo aza miditra amin’ny automatique raha samy hanao ihany. Sady efa miditra eo amin’ny sehatry ny « digitalisation » sy ny teknolojia rehetra io Madagasikara. Vitan’ny Ben’ny Tanana izany » raha ny fanehoan-kevitry Rado, injeniera informatika. Andrasana kosa ny valin-tenin’ny avy ao amin’ny Kaominina ny amin’ity fitakiana ity.
Marina fa liana tomponandraikitra manokana ny toerana fiantsonan’ny fiara ary ao anatin’ny fandrosoana izany. Tsara ny ezaka tamin’ny fototra tamin’ny nametrahan ity rafitra ity teo amin’ny sehatra fiambenana io fa saingy izy ireo no tsy nanaja sy naanao ny asany ka niteraka fitarainana sy savorovoro. Raha ny zavatra tsapa aloha eto Madagasikara rehefa misy tetikasa vaovao tahak’izao, tsy maharitra ela izany fa mandalo dia rava noho ny tsy fahaizana mitantana sy miatrika ny asa. Noho izany, ny toe-tsain’ny Malagasy mihitsy no mila amboarina aloha hoe : hampivoatra an’ny Madagasikara ny fisian’io tetikasa io ary ho fanatsarana ny rafitra misy eto Antananarivo. Manoloana izany anefa, tsara ihany ny manaitra ny tomponandraikim-panjakana fa tokony fantarina ihany aloha hoe zakan’ny fahefa-mividin-ny Malagasy ve ny tetikasa arosony eto sa tsia. Na izany aza, tsy afaka hahita zava-baovao haharitra ela eto Antananarivo mihitsy ve izany ?
Tsangy Randriamampianina
