Fenoarivo : Zazamenavava nisy nanary : Te handray antanana azy ilay zandary namonjy azy
Sambany no nandre tantara toy izany isika. Zandary iray niditra an-tsehatra tamin’ny tranga iray izay mety ho miendrika ho fandikan-dalàna na dia tsy misy ifandraisany amin’ny iraka nampanaovina azy aza izany. Nanapa-kevitra izy fa hikarakara zazamenavava izay nisy nanary teny an-dalambe. Zandary izay azo lazaina ho samaritana tsara fanahy raha toa ka miresaka ilay tantara ao anaty ‘ny Baiboly momba ny fisian’ny olona tsara sitra-po izay nanampy ireo akaiky azy.
Voalaza matetitetika izany tamin’ilay tranga iray niseho tao Fenoarivo ny zoma 27 Aogositra 2021 tany amin’ny 08ora 50 minitra tany. Tamin’io andro io, no nahitan’ny olona tsara sitrapo roa, mponina ao amin’ny fokontany Tampotanana, kaomina ambanivohitra Fenoaivo, distrika Antananarivo Atsimondrano ny zazamenavava iray mifono ao anaty harona plastika, napetraka teo amin’ny moron’ny tsena famaotana kafe iray teo alohan’ny toerana iray antsoina hoe Sarimasina Firavahana. Nampandre avy hatrany ny tao amin’ny brigady ny zandarimarian i Fenoarivo ireto olona ireto ny amin’izany tranga izany.
Raha vao nandre izany zandarimarian’ny Fenoarivo, nanefa zandary roa sy dokotera ary sefo fokontany izy ireo mba hijery ny zava-misy. Mbola velona ilay zaza ary mbola teny aminy ny tadim-poitrany. Nentina avy hatrany teny amin’ny Centre Hospitalier Universitaire Fenoarivo ity zaza ity ka avotra soa aman-tsara. Ary tamin’io fotoana io no nanapa-kevitra ny zandary iray ao amin’ny brigadin i Fenoarivo fa handray antanana ny fikarakarana ilay zaza izay tsy fantatra ny ray amandreniny. Nandray izany fanapahan-kevitra izany izy noho ny vadiny izay vao haingana no niteraka ka hahafahan’it yfarany mikarakara ilay zaza, indrindra amin’ny fampinonoana azy.
Nanolo-tena hamonjy ny ain’ilay zaza ity zandary ity ampiandrasana ny valin’ny fikarohana ny renin’ity zaza ity izay mbola tsy hita hatramin’izao na dia efa maro ary ny ezaka nataon’ny mpitandro filaminana sy ny manam-pahefana any an-toerana. Rehefa hita moa ity farany dia tsy maintsy henjenhina raha ny lalana sy hosazina noho ny fihetsika nataony. Ampiandrasana ny fikarohana dia mikarakara ilay zazamenavava ilay zandary ary maminavina ny hanangana ilay zaza raha to aka eken’ny lalana izany.
Ny fihetsika mendri-piderana asehon’ity zandary ity izay manana fahatsapana mahaolona sy tena fitiavana ny mpiara-belona aminy dia ohatra iray harahina amin’ny fampiharana ny famerenana ny toe-panahin’ny Malagasy « Fihavanana Malagasy », fototry ny fiarahamonintsika.
Sitraka Rajaonarivony
