France : Nandany ny lalàna manoloana herisetra any an-tsekoly ny Parlemanta
Tsy manana toerana any an-tsekoly ny herisetra na ny « harcèlement » hoy ny ministry ny fanabeazana ao France, Jean-Michel Blanquer. Taorian’ny fandanian’ireo solombavambahoana ny volavolan-dalàna mahakasika ny fanamelohana izany dia nentina teo anivon’ny Parlemanta indray izany.Tapaka nandritra izany fa azo saziana 3 taona an-tranomaziana miampy fandoavana lamandy 45 000 € (200 tapitrisa Ar) ny fanatanterahana izany raha toa miteraka ITT (incapacité totale de travail) na fitsaharana amin’ny asa latsaky ny valo andro izany.Mihafy kosa ny sazy raha maherin’ny valo andro io ITT io. Mety hatratra hatramin’ny 10 taona an-tranomazina miampy lamandy 150 000 € (670 tapitrisa Ar) kosa ny sazy raha toaka ka nanosika olona iray namono tena na saika ilay mpanao herisetra.Mihatra amin’izay rehetra nanao herisetra na mpianatra na mpampianatra kosa io lalàna io.
