ActualitésTatitra

Ukraine : Maro be ireo tompon’andraikitra vonona hiady ho an’ny tanindrazana

Nitam-basy hiady ho an’i firenena i Kira Rudik, solombavambahoaka ao Ukraine taorian’ny antso nataon’ny filoha, Volodymyr Zelensky hanohitra ny fanafihan’i Russie. Raha tsiahivina dia niantsony mponina rehetra handray fitaovam-piadiana hanoherana an’i Russie izy.Namaly ny antso i Kira Rudik, nilaza izy fa vonona ny hiady ary hiaro ny fianakaviany. Nanamafy izy fa tsy ny tenany ihany fa maro izy ireo no vonona hilanja ny fitaovam-piadiana hiaro ny tanindrazany. « Nandritra ny dimy andro i Vladimir Poutine no nanafika, saingy mbola tsy azo lazaina naharesy, ary rehefa antony marina no hiady dia tsy maintsy mandrsy » hoy i Kira Rudik.Anisan’ireo nametraka ny satro-boninahiny ary nandray ny fitaovam-piadiana ihany kosa ny Miss Ukraine taona 2015, Anastasia Lenna izay efa nanao miaramila. Eo ihany koa ny ben’ny tànanan’i Kiev, Vitali Klitschko sy ny mpilalao baolina kitra iraisam-pirenen’i Ukraine Oleksandr Zinchenko.

Laisser un commentaire