Etats-Unis : Mampitondra takaitra firenena sahady ny krizy misy eo amin’i Ukraine sy i Russie
Ny faran’ny herinandro teo dia efa nahitana akony ny sehatry ny varotra manoloana ny krizy misy eo amin’i Ukraine sy i Russie. Nahitana izany teo amin’ny tsenam-bola, indrindra teo amin’ny tsenan’ny akora indostrialy sy fambolena. Marihina mantsy fa i Ukraine dia « grenier céréaliers » iraisam-pirenena, ary Russie dia tompon’andraikitra goavana amin’ny angovo.Nanambara i Etats-Unis fa tsy tokony hisy fiatraikana amin’ny famatsiana angovo ny fanafihana ataon’i Russie saingy tafiakatra 100 dollars ny « baril » ny alakamisy teo tao New-York ary nahatratra 105 dollars izany ny zoma raha 96,84 no vidiny teo aloha. Teo amin’ny volamena kosa dia tafikatra 1 973,96 dollars ny « once » ny alakamisy teo ary nilatsaka 1 887,24 dollars ny zoma.Ireo « céréales » sy « oléagineux » ihany kosa nefa no tena nidangana nandritra ity krizy ity. Marihina fa firenen’ny Mer Noire no misahana ny 76% ny fanondranana menaka. Tafikatra 8% ny vidiny ao Malaisie ary nahatratra 1 425,27 dollars ny zoma teo.Tsy I Etats-Unis ihany noho izany no misedra ny akon’io krizy io. Anisany mizaka betsaka amin’izany ny firenen aty Afrique.
