SocialTatitra

Etats-Unis : Tsy maintsy manao vaksiny ny tafika

Efa nankatoavin’ny sampan-draharaha misahana ny fanafody na ny FDA ny alatsinainy teo ny fampiasana ny vaksiny Pfizer /BioNTech ao Etats-unis. Ahafahana manafaingana ny fanaovam-baksiny ao an-toerana izany raha ny fanazavana, manoloana ny fianakin’ny valan’aretina.

Efa nampilaza ny minisitry ny fiarovam-pirenena américain ny 9 aogositra teo fa tsy maintsy manao vaksiny ny mpikambana rehetra ao amin’ny tafika. Nanamafy izany ity fankatoavana ny vaksiny ity ka atomboka izany hoy ny “Pentagone”. Mbola hamoaka toromarika mahakasika izany kosa ny minisitera hoy ny mpitondra tenin’ny tafika John Kirby.

Laisser un commentaire