SocialTsidika

UFRSS Mandritsara : Sorena amin’ny ataon’ny tale ny mpianatra

Velontaraina ireo mpianatra ao amin’ny universitè Mandritsara UFRSS (Unité de Formation et de Recherche en Sciences Sosiales) na ireo efa navita fianarana, na ireo mbola mianatra ao raha sendra misy zavatra anontaniana ny tompon’andraikitra voalohany. Tsy mahazo ny zavatra takiany mikasika ny mari-pahaizany izy ireo.

« Efa matahotra izahay hanontany tale raha sendra misy zavatra manitikitika ny saina na misy zavatra tokony alaina honona satria tsy mahazo valiny tokony ilaina izahay fa mahazo teny mampivoto ny fo » hoy ireo mpianatra malahelo amin’ny zavatra ataony tale. « Efa tsy rariny intsony, ny mikasika ny sekoly no anontaniana dia asainy manantona ny Ministera izahay sy ny zanakay » hoy ny ray aman-dreny mampiana-janaka ao.

« Izy no tompon’andraikitra voalohany ka izy no tokony hahafantatra voalohany ny mikasika ny sekoly koa maninona no miavonavona ? » hoy ny tanora iray naneho ny heviny. Izany no zava-misy, maika haka ny volan’ny mpianatra fotsiny fa tsy vonona hampandroso ny firenena akory amin’ny alalan’ny fampianarana tsara ireo tanora Malagasy. Ho aiza ny firenena sy ireo tanora ireo ? Iza no tompon’andraikitra hamaha ny olana ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire