Olona ambony manao barofo mandrava sy manimba entan’olona an-keriny tany Toamasina
Navoaka tampoka tsy nisy fampilazana mialoha akory ny entan’ireo mpivarotra teny amin’ny Gare Routière Toamasina raha vao mangirandratsy. Mitentina 12 000 000 Ariary ny entana very nandritra izany. Mitaraina ireo mpivarotra madinika izay efa teo an-taonany maro.
Misy tompon’andraikitra ambony miasa ao amin’ny Faritra no te hibodo ny tany sy tranon’izy ireo, nefa ara-dalana ny maha azy ireo ny toerana araka ny taratasy eo ampelatanan’izy ireo » hoy ireo mpivarotra. « Simba ny asa fiveloman’ny olona sasany, maro ny entana simba teo koa ireo mpanararaotra naka izay azony, mbola mandeha eny amin’ny fitsaran any raharaha mikasika ity tany ity kanefa efa izao sahady no mitranga » hoy ny mpandamina eny an-toerana. « Olona ambony efa zatra manararaom-pahefana ao Toamasina no mibodo tanin’olona ary tonga hatramin’ny fandrahonana anay solontenam-panjakana aty an-toerana mihitsy aza satria tsy ekenay izao ataony izao ary misy amin’izy ireo mihitsy no mahavita manao hosoka maka vola amin’olona ary mampiasa ny anaran’ny Commune anaovany fanararaotam-pahefana » hoy kosa ny Ben’ny tanànan’i Toamasina.
Aiza ny fanjakana foibe manoloana izao zava-misy izao ? Tombotsoan’ny vahoaka sa tombotsoan’olon-tokana no jerena ?
Nicole Rafalimananjara
