France : An-tapitrisany ny toro na « données » tsy voaro ao amin’ny rindrambaiko Microsoft
Toro 38 tapitrisa sy mombamomban’olona manokana no atahorana tsy voaaro noho ny lesoka eo amin’ny fanamarinana ao amin’ny rindrambaiko Microsoft ampiasain’ireo orinasa sy fikambanana samihafa. Avy amin’ny sehatra na “platefome” fanarahana ny fivoaran’ny coronavirus ny sasany amin’ireo.
Namoaka tatitra ny orinasa misahana ny fiarovana “informatique” UpGuard ny alatsinainy teo rehefa nanao fanadiadiana nandritra ny volana maro fa anarana, adiresy, laharana fandoavan-ketra an-tapitrisany ary mombamomban’olona manokana maro hafa no miharihary. Efa eo am-pamahana ny olana kosa izy ireo.
